Femmes

ACTUALITES DE LA SVK

TENY FANOLORANA

Iraky ny Tompo ny vehivavy hanambara ny vaovao mahafaly momba ny famonjena.
Ataontsika amin’ny fitiavana izany araka izay nahatsapàn’ny tsirairay fiovana teo amin’ny fiainany.
Toa an’i Maria Magdalena, nifanena tamin’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty, ny marainan’ny Paska, ka nirahiny hanambara vaovao mahafaly ho an’ireo mpianany (Jaona 20 :17) no handehanantsika mitory ny fandresen’i Kristy amin’ireo manodidina antsika koa.

Raha hiainantsika ny filazantsaran’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty dia homba sy hampandresy antsika tokoa Izy.

Mifampitantana isika hitondra ny Tenin’ny Tompo, hanohy ny asa izay efa natombony. Mbola miarahaba antsika tratry ny krismasy ary mirary taona vaovao sambatra eo ambany fitahian’ny Tompontsika.

Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany Mampahery anareo amin’ny anaran’ny Tompo

RAJAOBARY Marie Irène

Présidente

RANJALAHY Séverine

Secrétaire

RAKOTOMALALA Voahangy

Trésorière

DIARY

Miara-manaiky isika fa ny fiainana tsy misy vehivavy dia toy ny vazy tsy misy voninlkazo. Ny ambony indrindra amin’ny vehivavy vatofehizoro dia ny nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany fotoana izany.

Misy andro roa an-taona fara-fahakeliny andraisan’ny SVK VF anjara eto amin’ny tafo hanompoana ny Tompo:

– Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy: 08 mars.

– Alahadin’ny SVK.

– Isaky ny ASABOTSY FAHA-ROA: ny Asabotsy hariva dia nifamontoana ny svk vatofehizoro manapaka ny fitsipika hifampifehezany ary nanomana ny Tenin’Andriamanitra.

Nofehezina tamin’ny amboara vita amin’ny asan’ny tanan’izireo ho zaraina ho an’ny vehivavy rehetra hatramin’ny ankizy madinika indrindra ny alahady.