Réveil

ACTUALITES DE LA SECTION

MANOHY NY ASAN'I JESOSY

  • Ny hanome famelan-keloka.
  • Ny handroaka demonia.
  • Ny hanasitrana marary.
  • Manolotra ny Fanahy Masina.
  • Mitory ny fanjakan’Andriamanitra, manambara ny Famonjena, (mampibebaka ).
  • Mampianatra, Mamangy ny kamboty.
  • Mivavaka ho an’ny reraka.
  • Mitory ny fahagagana ataon’Andriamanitra.
  • Manahaka ny toetran’ny Tompo Jesosy.
  • Mizaka ny kapoka sy ny fanejehana tahaka an’i Jesosy.

Mitohy ny asan’ny mpiandry isaky ny alahady faharoa aorian’ny fotoam-pivavahana, misy koa ny fiaraha-mivavaka miaraka amin’ny fiangonana manontolo isaky ny sabotsy hariva.

Misy ny famangina tokantrano, sy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiandry any amin’ny tafo rahavavy.

Raha ny tena marina dia ny kristiana rehetra na iza na iza izy efa nanaiky ny Tompo Jesosy no tokony hanao ireo asa nomen’i Jesosy ireo. Tsy voatery ho ny mpiandry na ny mpitandrina ihany. Ka anjaranao mpamaky no mamaly ny fanontaniana :

Aiza ho aiza ianao izao amin’ny antson’i Jesosy eo amin’ny fiainanao ?

Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala (Efesiana 5:1)

RAKOTONIRINA Anja

Présidente

RAZAFIMANDIMBY Lilia

Secrétaire

ANDRIANJAKA Lanto

Trésorier