Ireo fotoana nanamarika ny taona 2019

 » Avia ka jereo ny asan’Andriamanitra Salamo 66:5a »

Ry havana malala ao amin ny Tompo. Isaorana Andriamanitra nanome antsika ity taona vaovao 2020 ity !

Raha atao bango tokana ireo zavatra niseho sy niainantsika teto amin ny Fpma Vatofehizoro tamin iny taona lasa 2019 iny, dia iray lehibe amin ireny ny fankazana faha-folo taonan’ny fiangonana izay nosokafana tamin ny fanompoam-pivavahana ny alahady 3 martsa 2019. Ny ivon’ny fankalazana dia nomarihina tamin ny sakafom-pifaliana ny 25 mey 2019, izay nohafanain’ny Ritso Tafa Mikalo sy ny Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo.

Ny 22 sy 23 septambra 2019 lasa teo koa no nanaovana ny lasin’ny fiangonana, izay natao tany Le Mans. Nahatratra teo amin’ny 152 teo isika no nandeha tamin’izany.

Ny alahady 6 oktobra 2019 lasa teo koa no notanterahina ny fandraisan-tanana ireo mpianakavin’ny finoana miisa 15 mianadahy mianaka tonga teto amin ny Fpma Vatofehizoro, tao anatin’ny taona 2019 .

Nankalazaina teny amin ny Espace Peugeot Citroën Aulnay Sous-Bois ny 15 desambra 2019 lasa teo ny fitsingerenan’ny andro Noely nahaterahin ny Mpamonjy, ka ny sampana sekoly alahady no naneho izany tamin’ny alalan ny hira sy tsianjery ary tantara. Izany moa dia nofaranana tamin ny fiaraha-misakafo Agape sy fiaraha-mifaly.

Raha fintinina dia hita sy tsapa fa nombatsika hatrany Jesosy nahafahana nanatanteraka ireo programa rehetra ireo ary dia Izy Tompo mihitsy no miteny hoe  » Avia ka jereo ny asan’Andriamanitra Salamo 66:5a »

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.