Formation des cadres 2019

Notanterahina ny faha 23 volana febroary 2019 lasa teo ny fiofanan’ireo tompon’andraikitra teto amin’ny tafo Vatofehizoro dia tsy iza moa ireo fa ny Biraon’ny Sampana rehetra sy ny komitin’ny Fiangonana .Teny amin’ny Hotel Appart City Velizy Villacoublay dép 92 no nanaovana izany.

Nizara fotoana roa samihafa izany fiofanana izany ka ny maraina dia ny Mpitandrina Solo Andrianomenjanahary no namelabelatra ny rivomahery entin’ny fivavahana samihafa amin’izao vaninandrontsika izao ( I Jaona 4 : 1).

Ary ny tolakandro kosa dia ny Mpitandrina Filoha Synodaly Seth Rasolondraibe no namelabelatra ny hoe an’ Andriamanitra ny Fiangonana satria niasa tao Andriamanitra (I Kor 1 ).

Nifarana tamin’ny 5 ora hariva izany fiofanana izany.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.