Culte d'ouverture 10e anniversaire

 » Venez et contemplez les œuvres de Dieu ! Il est redoutable quand il agit…  » Psaumes 66 :5a

C’est avec un culte cérémonial que la FPMA Vatofehizoro a marqué l’ouverture de la célébration de son dixième anniversaire. La célébration étant prévue le 25 Mai prochain, ce culte avait pour propos de glorifier le Seigneur mais aussi de remettre tous les projets entre ses mains. Le verset des Psaumes 66 :5a, officiellement ligne directrice de la célébration, résume parfaitement l’ambiance actuelle dans la paroisse. Outre la présentation de l’hymne officiel, les paroissiens et invités ont eu droit à un avant-gout de l’animation pour ne citer que les fameux Ritso Tafa Mikalo. Mais pour en revenir aux dix ans du « tafo », le pasteur Solo Andrianomenjanahary a martelé dans sa prédication que cette célébration n’a rien d’une coïncidence car le Seigneur agit bel et bien au sein de cette communauté. A l’image des enfants d’Israël qui ont traversé fleuve et désert, la victoire est en effet déjà acquise pour tous ceux et celles qui s’abandonnent à Jésus-Christ, le véritable « Vatofehizoro ».

« Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony…  » Salamo 66 :5a

Fotoambavaka niavaka no nanokafana ny fankalazana ny fahafolotaonan’ny Tafo Vatofehizoro androany. Raha amin’ny faha 25 May ho avy izao no ivon’ny fankalazana dia efa napetraka tamin’Izy Tompo sahady ny fikasana rehetra amin’ny fahatongavan’izany andro lehibe izany. Ity Salamo faha 66 :5a ity no safidin’ny mpiaramiangona hifantohan’ny fankalazana ka rehefa nambara ampahibemaso izany tenin’Andriamanitra izany dia nanolotra sombiny amin’ny ho endriky ny lanonana sahady ireto mpikarakara. Nisongadina manokana ny Tarika Ritso Tafa Mikalo izay nanolotra seho ara-malagasy tanteraka. Folo taona izay no nijoroan’ny FPMA Vatofehizoro ka nampatsiahy ny mpitandrina Solo Andrianomenjanahary fa fitarihan’Andriamanitra avokoa izany. Hikiakiaka fiderana isika hoy izy, satria zary efa mpandresy raha miaraka amin’Andriamanitra. Toy ireo zanak’Israely nanitsaka ranomasina sy namakivaky ony ihany koa dia tanteraka amin’ny tafo Vatofehizoro ankehitriny ity salamo ity. Tsara fototra araka izany ny fiangonana satria Jesoa Kristy no iorenantsika, Jesoa Kristy no ilay “Vatofehizo”.