Culte d'accueil 2019

Notanterahina ny alahady 6 Oktobra 2019 lasa teo ny fanampoam-pivavahana narahina ny fandraisana ny fanasan’ny tompo teto amin’ny tafo fpma vatofehizoro. Sady fotoana niarahabana ireo vahoakan’Andriamanitra tonga nanantevin-daharana nirotsaka ho isan’ny Fiangonana eto amin’ny Tafo ka miisa 15 mianadahy mianaka izy ireo ary nisy moa marika hita maso fanomezana natolotra azy ireo tamin’izany.

Tamin’io andro io ihany koa no fotoana nampisehoana:
– ireo tompon’andraikitrin’ny vaomiera samihafa izay miasa eto anivon’ny fiangonana dia ny sosialy , ny fampitam-baovao , ny lojistika , aram-panahy
-ireo mpanamarim-bolan’ny Fiangonana mirahalahy

Nanafana ny fotoana tamin’izany ny sampan velona rehetra eto amin’ny Tafo izay nandray anjara hira iray avy dia ny Zava-maneno , ny Antokom-pihira , ny Tanora kristiana , ny Fifohazana , ny Vehivavy Kristiana , Sekoly Alahady.

Nifarana tamin’ny fialana hetaheta sy sakafo maivana ny fotoana tamin’io alahady 6 Oktobra 2019 io.

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany.