45279151 715204178858641 8603876747332550656 n

Les jeunes veulent témoigner - Le mois de la STK

En ce mois de la STK, petit coup de projecteur sur cette section des jeunes qui, de par sa fraicheur et son énergie, nous apporte sa jeunesse et dynamisme au sein de la paroisse. 

Voici un petit interview de Sitraka RANDRIANARIMANANA, président de la STK, qui nous en parle.

Peux tu nous faire une description générale de la STK, son but, ses activités,etc ?

Nous avons 3 sous-sections (musique- loisirs et culture - sport) au travers desquels nous essayons de regrouper les jeunes sur un centre d'intérêt commun pour les inciter à venir tou le temps au réunions. Nous faisons en sorte que les jeunes se sentent chez eux à l'Eglise et se familiarise avec la vie paroissiale. Le but est de les garder au sein de l'eglise et de la vie spirituelle, mais aussi de les donner une éducation et une formation spirituelle qui correspond à cette tranche d'âge.

 

Parle-nous du thème que vous avez choisi pour le dimanche de la STK, le message que vous voulez transmettre par-là et à qui.

" A ceci tous reconnaîtront que vous êtes mes disciples" Jean 13: 35 Voici le verset que nous avons choisi pour faire passer notre message. Depuis quelques temps la STK commence à se tourner vers l'extérieur, ne se concentre plus sur lui-même, fait des échanges et des partages. Nous avons tendance à vouloir recevoir mais pas à partager; Or l'objectif d'un chrétien c'est d'annoncer l'evangile. QUand on est chrétien, on ne l'est pas que les dimanches, mais tous les jours. On ne fait pas que recevoir la parole de Dieu, nous devons aussi le proclamer autour de nous, à notre entourage, au travail, à l'école, avec la famille, les amis, les connaissances. D'où notre thème " Soldat de Dieu Everyday". Ce messagge s'adresse à tous, aux jeunes comme aux moins jeunes, à chaque paroissien et à chaque personne qui a reçu le Christ en son coeur et que nous invitons à Le partager autour de lui.

 

Quel est le programme pour ce mois de la STK?

Nous voudrions vraiment marquer le coup, durant tout le mois à l'Eglise nous allons prendre part au culte. Mais tout se passera surtout sur les réseaux sociaux avec beaucoup de partages et de témoignages en vue? Alors venez nous suivre sur Facebook et Instagram. Il y a aussi la vente de T-shirts. Nous avons pensé à tous, et avons pris de la taille 4 ans à XXL. Surtout n'hésitez pas à nous en (re)demander! Mais l'apogée de ce mois de la STK sera le dimanche 18 Novembre, consacré à notre section. Nous vous réservons encore quelques surprises de notre crue mais d'ores et déjà nous vous invitons tout le monde à venir vêtu des T-shirts, afin que nous soyons tous témoins unis du Christ ce jour là.

 

Quels sont les objectifs pour cette année 2018-2019?

A l'arrivée du bureau actuel, nous avons constaté une instabilité dans la STK tant au niveau des présences que des réunions elles-mêmes. Durant ces 2 dernières années, nous avons fait en sorte que la section fonctionne de manière automatique. Que chacun des membres ait ce sentiment d'appartenance afin qu'ils aient la motivation et l'ambition apporter de leur temps, leur talent et leur point de vue à la section. Notre prochain projet est d'intégrer la STK comme une section à part entière au sein de l'Eglise, mais pas juste une section-étape avant l'âge adulte pour les les jeunes qui sortent de l'école du dimanche. Mais à plus court terme, nous avons 2 grands projets à mener pour l'année 2019: - La RNSTK, réunion nationale des jeunes de toutes les FPMA de France. Afin que ce soit une réussite pour notre part, nous aimerions que les jeunes y participent; c'est pourquoi alloueront une bonne partie des fonds récoltés ce mois-ci à cette occasion, pour apporter un soutien financier aux jeunes pour le séjour? - La deuxième grande date sera l'anniversaire de notre paroisse. Comme nous le savons tous, nous allons fêter le 10e anniversaire de la FPMA VF l'année prochaine. Or 10 ans de l'église signifie aussi 10 ans de la STK. C'est pourquoi nous voudrions le marquer aussi et le célébrer à notre façon. La préparation de cette évènement est déjà en concertation actuellement.

Drapeau francais

Ho fanamarihina ny iray volan'ny Sampana Tanora Kristianina (STK) dia andeha ho topaza-maso sy ho fantarintsika bebe kokoa ny momba izany sampana izany, izay manana ny toerany manokana ao amin ny fiangonana, noho ny fahavitrihana sy ny faharisihan'ny mpikambana ao aminy manao hetsika sy fanentanana isan-karazany.

Nisy àry ny valan-dresaka nifanaovana tamin'i Andriamatoa Sitraka Randrianarimanana filohan'ny STK, izay mamelabelatra ny momba izany sampana izany.

 

Afaka velabelarinao amin'ny ankapobeny ve ny mahakasika ny STK, ny tanjony, ny "activités" misy ao aminy sy ny hafa koa ?

Raha ny mahakasika ny "activités" aloha dia misokajy 3 izy ao anatin ny sampana : ny mozika, ny kolo-tsaina sy alavoly ary ny fanatanjahantena ihany koa. Koa amin'ny alalan'ireo sokajy ireo no ezahanay hitsinjarana ny tanora araka izay maha mety azy sy mifandraika amin'izay tiany, dia amin ny alalan izany koa no hitaomana sy hamporisihana azy ireo ho tonga tsy tapaka hanatrika ny fivorianay.

Ezahanay hatrany ny hatsapan'ireo tanora ireo fa tena manana andraikitra ao amin'ny fiangonana izy ireo. Ary ny tanjonay dia ny manabe sy mitaiza azy ireo ara-panahy sy manao ny fomba rehetra mba hijanonany sy hahatamàna azy ao amin'ny fiangonana mandrakariva.

 

Mba afaka lazainao anay ve ny momban'ny "Thème" izay voafididy ny amin'ny alahadinareo, ny hafatra na teny tianareo hampitaina ?

"Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo" Jaona 13:35 Izany teny izany no nofidianay hampitàna ny hafatra tianay hambara. Tato ho ato dia tsapa fa somary nivoana (nitodi-doha any ivelany) ny tanora ka tsy dia mifantoka firy amin'izay tokony ho izy. Manoloana ny fifanakalozana samihafa dia hita fa toy ny hoe aleo "mandray" [toy izay "manome"] foana no lasa mibahana kanefa amin'ny maha kristianina dia ny fitoriana no zava-dehibe. Ary tsy hoe rehefa Alahady ihany vao kristianina fa isan'andro koa, ka ny andraikitry ny tanora voalohany araka izany dia ny mampiely sy mitory ny filazan-tsara amin'ny manodidina azy : eo anivon'ny fianakaviana, any am-pianarana, any amin'ny toeram-piasana ... Ka izany no mahatonga ny fanevanay nantsoina hoe "Soldat de Dieu every day". Ary izany dia hafatra natao ho an'ny rehetra, na antitra, na tanora, ny mpino sy izay rehetra efa nandray ny Tompo ao am-pony. Ny hafatra dia ny mba hizarana filazantsara izany amin'ny manodidina antsika isan andro.

 

Mba ahoana kosa ny amin'ny sori-dalana na programanareo amin'ity volan'ny STK ity ?

Tianay tokoa ny hanamarika izany fotoana izany. Ka mandritry io volana natokana ho anay io dia hisy hatrany ny fandraisanay anjara amin'ny fanompoam-pivavahana ao am-piangonana. Etsy andanin'izany, dia hisy koa ny fampafahantarana eo anivon'ny tambanjotra serasera isan-karazany, koa manasa anareo izahay hanaraka ny fifampizarana, fijoroana vavolombelona sy ny hafa maro ao amin'ny facebook sy Instagram.

Ao koa ny varotra T-Shirts, ahitanao ny "taille" kely indrindra, ho an'ny zaza madinika 4 taona ka hatramin'ny lehibe, "taille XXL". Koa aza misalasala ny manantona anay handray anjara amin'izany. Fa ny tena alahadin'ny Sampana STK dia ny 18 Novambra ho avy izao. Mbola hisy ny zavatra maro haseho amin'izany, fa ny tena fanirianay sy amporisihanay ny mpiangona tsirairay dia ny mba ho tonga isika rehetra misalotra ny "T-Shirts" izay namidinay, mba hanamarihina ny fiombonantsika ho vavolombelon'i Kristy amin'io andro io.

 

Ary ny tanjona ho an'ny taona 2018-2019 ?

Tamin'ny fahatongavanay sy nandraisanay ny biraon'ny Sampana dia tsapanay ny tsy fahavononana nisy teo amin'ny tanora mpikambana, na teo amin'ny fahatongavana amin'ny fivoriana na teo amin'ny fandraisana anjara. Nandritra izay 2 taona izay dia nohezahanay ny nampandeha ny Sampana ho ara-dalàna, ka ny tsirairay dia tena nahatsapa fa mpikambana marina, afaka nitondra ny fomba fijeriny, ny talenta nomen'Andriamanitra azy, ny fotoanany sns ... ho fampandrosoana ny sampana. Ny Tanjona manaraka dia ny hahatonga ny STK ho Sampana velona, Matotra, mahaleo tena tanteraka ao amin ny fiangonana fa tsy hoe akory ho sampana fandalovana fotsiny ho an'ny ankizy mahavita ny Sekoly Alahady alohan'ny hahatongavany ho olon-dehibe.

Fa ny maika aloha izao dia ny drafitr'asa roa ho an'ny taona 2019:

- ny voalohany dia ny RNSTK, fivoriambe nasionaly natokana ho an'ny tanoran'ny FPMA maneran'ny France, ny tanjonay dia ny fandraisan'ny mpikambana tsirairay ato aminay anjara amin'izany. Noho izany, dia hisy ampahany lehibe amin'ny vola azonay amin'ity hatokana hanampiana sy hanohanana ny tanora ahafahany manatrika izany.

- ny faharoa kosa dia ny tsingerin-taona niorenan'ny Tafo. Araka ny efa fantatsika dia hankalaza ny faha-folo taona niorenan'ny Tafo Vatofehizoro isika, izay midika ihany koa fahafolo taonan'ny sampana STK. Zava-dehibe tokoa izany. Tianay sy irinay ny hanamarika azy ka hatombokay tsy ho ela ny fiketrehana izay ho entinay manantanteraka izany.

Drapeau malgache